Activités
Accueil
Mety amiko ny seha-pihariako

Resadantokomaroresaka nifanaovana tamin’Atoa Alain RAKOTOARISOA, mpamboly voatabia ao amin’ny fokontany Antokomaro, Kaominina Ambanivohitra Mahitsy, anisan’ireo mpahazo tombontsoa tamin’ny tolo-draharaha rehetra natolotry ny iTaFa Mahitsy, fandaharan’asa MSDLCP/PNUD tanterahan’ny ONG CITE.

Inona no nahatonga anao ho lasa mpamboly voatabia ?

Nanomboka ny taona 2003 izaho no nanao ny asa fambolena voatabia, izay sehatra tena mbola tsy nananako traik’efa mihitsy tamin’izany. Nahita olona namboly sy nanana tany nambolena ny tena dia mba nanao ihany koa na dia tsy nisy ary ny vola nentina nanombohana ny asa ka tsy maintsy nivarotra ny kisoa teo an-tanana mba hikarakarana ny voly izay nosafidiana fa atao. Rehefa niakatra anefa ny vokatra, izay marihiko fa tena tsara tokoa dia tsy araka ny nieritreretiko ny vidiny ka tena niteraka faty antoka iray lavaka ho ahy. Ar 2000 mantsy ny 3 kesika tamin’izany. Tsy nahaleo ny sarany akory ny vidiny : ny zezika etsy andaniny lafo, ny vidin’ny fanafodim-biby sy ny tsena hanaterana ny vokatra, eo ankilany, lafo sy lavitra be ary manginy fotsiny ny fotoana lany nandritra ny fikarakarana. Tsy natao hahakivy izany : notohizako ny ezaka efa natao, navadiko ny tanimbary ketsa 3 nanatsarako sy nanampiako ny tany afaka niasana. Naharisika ahy ihany koa ny vidim-bokatra izay nahatratra hatramin’ny Ar 32 000 ny kesika iray amin’ny voatabia ny taona 2008.

Tiako marihina ihany koa fa namboly vary aho izay tsy nahavokatra afa-tsy 250 kg amin’ny vidiny 400 AR ny vidin’ny akotry iray kilao amin’ny ketsan-drery. Nefa raha nanao ny voly avotra teo amin’ny tanimbary aho dia nahatratra Ar 1.200. 000 ny vola niditra isa-taona tamin’ny tanimboly iray.

Read more...
 
Le trio gagnant pour le du Sud de Madagascar   

MĂ©tamorphose professionnelle rĂ©ussie de Tsiroahy Miandrisoa Milavonjy, artisan bijoutier avec le concours de FATAN – CITE Ambovombe – ANCESM, trois associations locales dans le Sud de Madagascar [ ... ]


Engagements sur l'Eau et Assainissement   

Les engagements du gouvernement malgache aux niveaux national et international dans le secteur Eau et Assainissement jusqu’en 2015 prĂ©sentĂ©s lors du High Level Meeting qui s’est tenu Ă  Washingt [ ... ]



Partenaires
Liens